Teny iditra farany
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Finally [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Enfin, en un mot [1.3]
Ohatra Farany dia tonga ry zareo. [2.356]
Kamban-teny 
Lohateny Farany (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Ny Variraiventy farany (Andriamalala Emilson Daniel)

Teny iditra farany
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Aoriana indrindra amin' ny laharana, amin' ny fanadinana na fifaninanana: Ny Desambra no volana farany amin' ny taona ~ I Naivo no farany tamin' ny fanadinana tao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The end, the last, the conclusion, the extremity, the close. [1.2]
 The end, a limit [1.7]
Fanazavàna teny frantsay La fin d'une chose, le bout, la termisaison
Dernier [1.3]
Ohatra 
1ho tsara farany hianareo! [2.48]
2Tsinjony fa efa akaiky ny farany. [2.499]
3Betatao, farany Merina amoron' ala; [2.48]
Kamban-teny 
Mpanahaka  farana

Teny iditra Farany
Singan-teny farany
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!

Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!

Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !

Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/24