Teny iditra |
Foloalindahy
|
Singan-teny | folo ; alina ; -dahy (lahy) |
Sokajin-teny | anaram-poko
|
Fanazavàna teny malagasy | Anarana nomena ny miaramilan' Ilaidama ary mbola ilazana ankehitriny ny fitambaran' ny antoko-miaramila rehetra eto amin' ny firenena. (Nokendren-dRadama ny hanana tafika toy ny Vazaha, izay mianatra matso, fitifirana, sarin' ady ka folo alina na iray hetsy no isa noheveriny hotratrarina) [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | The one hundred thousand men, which is the name given to the army. [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | Cent mille hommes. On donnait ce nom à l'armée, parce que le souverain prétendait audacieusement pouvoir mettre en campagne cent mille soldats [2.415]
|
Ohatra |
1 | Tsy ravàna ny Foloalindahy fa ampitomboina.
[2.508]
|
2 | Fa matoky aho, ray ambanilanitra sy foloalindahy!
[2.298]
|
|
Voambolana |
|