Teny iditra manina (hanina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina) [1.8]
Ohatra 
1Manina ny tanindrazana aho izany! [2.470]
2Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manina
Ny lasa : nanina
Ny hoavy : hanina
Filaza mandidy : manìna
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Manina (Tselatra)
Ohabolana 

Teny iditra manina (ina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy  [Provincial] To command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manina
Ny lasa : nanina
Ny hoavy : hanina
Filaza mandidy : maninà

Teny iditra manina
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] manendry [1.78]

Teny iditra manìna (hanina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra maninà (ina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra Manina
Singan-teny manina
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Tselatra (Rajonah), selatra+selatra
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

- Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20