Teny iditra manjombonjombona (jombonjombona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay être obscure [1.3]
Ohatra 
1Manjombonjombona ny hevitrao ka hazavao (Votre pensée est obscure, éclaircissez-la) [1.3]
2Manjombonjombona ny Tany, Toa malahelo, toa tomany; [1.255]
3Tapaka teo ny resaka, ny andro manaraka, andro manjombonjombona, tsy nisy resaka firy. [2.499]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manjombonjombona
Ny lasa : nanjombonjombona
Ny hoavy : hanjombonjombona
Lohateny Manjombonjombona (Rafanoharana)

Teny iditra Manjombonjombona
Singan-teny manjombonjombona
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rafanoharana
Lahatsoratra 
Manjombonjombona ny Tany...
Toa malahelo, toa tomany...
Ny ravinkazo efa maina
Voatsokan-drivotra maraina,
Indreo mihintsana dia lasa;
Ho aiza, hono, moa?… Asa!

Ny taho sisa, tsy mitafy
Midridridridry - voa mafy,
Miolanolana…. ! indrisy!
Mitady vonjy fa tsy misy!
Indreo ny sasany hampiasaina
Nazerazera, nokapaina.
Miboba ra, miala aina;
Malazo ireny; eny, maina!

Tanety maro, lohasaha,
Izao tsy manana mpizaha;
Marary ve?… mangavo-bolo
Toa tahom-bary bobongolo!

Tsy misy aina hita eny,
Ny lolo aza tsy mankeny;
Ny omby, ondry, tena noana;
Ho aiza anefa?… Mandry foana!

Anaty saha, an-jaridaina,
Ny voronkely very saina:
Tsy misy ravina ierena
Ka velon-tsento mahonena...
Ny lalana aza zary sina,
Ny tabatabany mangina;
Ny lanitra avy mitaraina...
Toa lasan-davitra ny aina.

Manjombonjombona ny Tany,
Toa malahelo, toa tomany;
Izay rehetra taza-maso
Dia nosomparan'ny ankaso.
" Nankaiza kosa ny masoandro,
Ilay mpanjakanao, ry andro?
Ny hanazava ve tsy tiany,
Sa semban-drahona ny diany" ?

Manjombonjombona ny Tany,
Toa malahelo, toa tomany...
Voahetsiketsiny ny Foko
Ka velon-tsento, mitoloko;
Ny ranomasoko dia tojo
Ny ranon'erika mijojo,
Fa ondry kely manim-bala
Mba te-hahita'reo malala.
Ho aiza anefa?… Hany hery
Manoso-menaka ny fery,
Dia fery velona tsy maty,
Manongotsongo ao anaty...
Manjombonjombona ny Tany,
Ny foko koa mba toy izany…

Ry fiononana antenaina,
Avia herezo koa ny saina!
Ry Ray mpandahatra ny eto,
Toneo ny foko tsy hisento!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/13