Teny iditra Resa-panahy
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Ny Avana
Lahatsoratra 
Hariva ny andro. Ny alina tamy.
Ny haizi-mangina miada-misoko.
Inty misy resaka mamy dia mamy:
Manasa anareo, manasa ny foko.

Ka, hono, ry vola-mazava zary,
Anatin'ny lanitra lavitra ery,
Fanilo mitopy malefaka soa,
Mba mahavariana ny masoko roa!
Ity no mba hataka ataoko aminao:
Ny haizin'ny foko, avia mba savao,
Esory hiala ny zava-manjo
Hidiran' ny taratra fiononam-po!

Mba, hono, ry kinta-mamiratra irony,
Mameno ny sahan'ny lanitra ambony,
Indreny mivelatra toa voninkazo,
Mba tiako hatonina saingy tsy azo!

Ity no mba dinika tiako hivaly:
Raha sendra ny nofoko moa no mijaly,
Ho vatranareo ve ny tsy mba hijery
Ity olombelona maizina irery?

Fa, hono, ry tany hodian-draha maty,
Haposako anao ve ny sento ato anaty:
Mba mamolivoly ny atin'ny aiko
Raha toa tsy ho to ny zava-kasaiko.
Ity no mba zavatra izay hotozoiko:
Hanondrotra anao, ry Nosy tsy foiko.
Na inona mafy, zakaiko ny ahy,
Ho mora hatoriako miadam-panahy.

Raha toa manadino aho, ry Nosy malala,
Ny rako mafana anie hamanala!
Raha toa tsy ianao no andrianan'ny foko,
Ny androko sisa ho feno toloko!

Fa lasa ny andro. Ny alina tamy.
Matory avokoa ny biby isan-toko.
Ny fara veloma faranako mamy:
Veloma ianareo, veloma hoy ny foko!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02