Teny iditra bibikely (biby, kely)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny ilazana ireo biby madinika ankapobeny izay mizara telo ny vatany: ny lohany, ny tratrany ary ny kibony. Misy karazany maro ny bibikely arakaraka ny toetran' ny elany na ny tsy fisiany mihitsy:misy lava mahitsy ny elany (ny valala); misy manana elatra roa an-daniny avy ka mifanarona (ny voangory); na mipetaka eo an-tenatenany ny elany roa an-daniny avy (ny renitantely); misy tsy manana afa-tsy elatra iray tsotra andaniny avy (ny lalitra); ary misy aza tsy manana elatra mihitsy (ny hao, ny parasy) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy An insect of any kind. [1.2]
 An insect [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Insecte [1.8]
Ohatra 
1Mihetsika mafy ny bibikely! [2.270]
2Poatoizay dia ho faty ny bibikely. [2.442]
Voambolana 
Lohateny Ny Fampiasana Fanafody Famonoana Bibikely
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12