Teny iditra dory
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Amponga fampiasa amin' ny lanonana masina fivavahana, tromba... Ngeza kokoa izy noho ny anakidoro. Matetika dia miaraka ny feon' ireo amponga roa ireo ka misy midoboka sy mikarantsana; any amin' ny faritany andrefana sy avaratra andrefana no mampiasa azy [1.1]
Voambolana 
Renianarana zavamaneno
Anarana iray reny adabo, ambio, ambioka, amponga, ampongabe, ampongantaolo, ampongavilany, anakidory, angaroa, angorodao, angorodaovava, anjomara, anjombona, antsiva, antsodiny, antsoly, armonia, atranatra, atranatrana, bakora, barakoma, belahara, belela, bengilahy, bezoma, bingona, bingy, dedeboka, detra, diapazona, doka, dombolo, doribe, dretra, farara, fararantsaonjo, faray, fikasihandokanga, filiotra, garadoboky, gitara, gorodo, harpa, hatrotrobe, hazolahy, jazy, jejelava, jejevoatavo, jejilava, jejy, jejyvoatavo, jenjy, jinjilava, jy, kabaosa, kabaosy, kabiro, kabiry, kabosa, kabosy, kahamba, kahiamba, kiatsody, kidedra, kilakila, kilangay, kilarinety, kilerao, kiloloka, kipantsona, kitrivo, korintsana, kotra, kovabe, lakolosy, langoroana, langoroany, langorony, lokanga, lokangahisatra, lokangambazaha, lokangavava, lokangavoatavo, makasa, manandria, manandrialahy, manandriavavy, maromaso, marovany, morarava, nlapa, nlapabe, organa, piano, pirango, piripity, pisto, pitikilangy, pitsofaoro, raloba, rimorimo, rondro, sarinety, silingary, silongary, sobaba, sodina, takoritsoka, tambovo, taralila, tary, trompetra, trotrobe, tsikadraha, tsirivo, tsotsoka, valiha, valihajihyvy, valihamarovany, valihatoryfolo, valihatorytenany, valihatsimihety, valihavata, valihavero, zezo

Teny iditra dory
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Dormir. [1.19]

Teny iditra dory (dotra)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana dorana [fitanisana]
Ohatra 
1andeha, dory amin' ny afo izany. [2.996]
2Dory ireo fako rehetra azo dorana. [2.424]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19