Teny iditra fandaingana (lainga)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tsy filazana ny marina mba hamitahana olona: Zava-dratsy ny fandaingana fa hoy ny Ntaolo: Aleo mifanena amin' ny mpamosavy toy izay mifanena amin' ny mpandainga
Fahadisoan' ny mizana izay mahatonga azy hilaza lanja ratsy: Tsy anerany izany fandaingan' ity mizananao [1.1]

Teny iditra fandaingana (lainga)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ilay lempona kely eo amin' ny takolaka ambanimbany izay hita miseho tsara rehefa mitsiky [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A dimple on the face, a dimple in the cheeks when laughing. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Petit enfoncement sur la joue, fossette [1.3]
Ohatra 
1Mahafatifaty avokoa ny eny aminy, na ny fitopin' ny masony mibaliaka, na ny fiampokampoky ny volony matevina, na ny fihifitrifitry ny fandaingana eo amin' ny takolany, na ny filantolanton' ny tanany. [2.357]
2Na ny mpampianatra ahy, na ny mpiara-monina amiko, indrindra ireo niray ankohonana tamiko, dia tsy nisy nahatahiry hatezerana tamiko, raha vao mahita ny fandaingana teo amin' ny takolako sy ny fisahondrahondran' ny voloko misaritaka. [2.529]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20