Teny iditra mandalo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Aretin-kibo tsy mivalana tonga tampoka, izay mampijaly fatratra fa mitangolika toy ny ho tapaka ny tsinay; (nisy mandalo roa fantatry ny Ntaolo: ny mandalo noana izay mpahazo raha mbola tsy nihinana na inona na inona, ary ny mandalo voky rehefa avy nihinana) [1.1]
Voambolana 

Teny iditra mandalo (lalo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha haingana, miserana, mihelina: Mandalo ihany ny hatanorana
Tonga kelikely dia lasa, tsy mitoetra ela: Nandalo tao antanàna izy tamin'ny herinandro lasa
Mandeha eo akaiky nefa tsy miditra: Aza mandalo tanà-misy havana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To pass by [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Passer auprès de [1.196]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandalo
Ny lasa : nandalo
Ny hoavy : handalo
Filaza mandidy : mandalova
Tovy hevitra mandika ~ mandingana ~ mihelina ~ mihoatra ~ misalovana ~ miserana
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/23