Teny iditra mandotra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazam-bibilava lehibe, vasoka somary misy mainty mivolonkary ny volony, ary malaza ho masiaka
Karazam-bibilava lehibe malaza ho mivelona ao anaty lava-bitsika, ka izany no iantsoana azy koa hoe renivitsika [1.1]
Voambolana 
Tovy hevitra manditra ~ renimanditra

Teny iditra mandotra (dotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandevona amin' ny afo: Didian' ny fanjakana ny mandotra ny fitafian' izay matin' ny habokana na nendra
Manamasaka: Mandotra biriky, mandotra sokay
Manery: Mandotra ny lehiben' ny fokontany ny fanjakana hanenjika ny mpangalatra omby
Mandoro ary manala ny volom-biby vonoina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To burn with fire [1.2]
Ohatra Nefa taoriana dia samy namono ny azy indray, fa niforetan' ny mandotra tao anatiny. [1.437]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandotra
Ny lasa : nandotra
Ny hoavy : handotra
Filaza mandidy : mandora

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/10