Teny iditra miroahana (roahana (ahana))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [1.10]
 Misalasala, sanganehana, mihambahamba tsy matoky tena: Niroahana be ihany izy alohan' ny handehanany
Mitovy hevitra: miahanahana ~ mihambahamba ~ miherohero ~ misalasala [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To hesitate, to doubt; to be of two minds [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Hésiter, être en suspens, douter, ne savoir quel parti prendre: Miroahan-dava izy (Il hésite sans cesse) [1.3]
Ohatra Avy amin'i Zabolona, dimy alina, samy azo alefa amin'ny tafika, vonon-kiady, efa hary fiadiana tsara mihitsy, mba hilahatra hiady amin'ny fo tsy miroahana. [2.996]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miroahana
Ny lasa : niroahana
Ny hoavy : hiroahana

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20