Teny iditra misalasala (salasala)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Tsy tapa-kevitra amin' izay tokony hatao: Nisalasala tamin' izay tokony halehany izy, na ho any Antsahafiraisana na ho any Ankadindambo
Mitovy hevitra: miahanahana ~ miahotrahotra ~ miambakavaka ~ mihambahamba ~ miherohero ~ miroahana
Tsy matoky fa marina: Misalasala amin' ny filazako angaha ianao? ~ Misalasala aho na ho avy izy na tsia
Mitovy hevitra: haingihaingy ~ hangihangy ~ mamokehana ~ mangezaheza ~ miahotrahotra ~ miakoriasa ~ miambatrambatra ~ mihabahaba ~ mihambahamba ~ mihazohazo ~ mihelohelo ~ miherohero ~ miroa hevitra ~ miroa saina ~ miroahana ~ miroanahana ~ sadaika ~ sakodiavatra ~ sanganehana ~ somaingisaingy ~ tsy tapa-kevitra ~ vaka ~ varakahaka ~ very fanahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be in doubt, to hesitate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être dans le doute, hésiter [1.8]
Ohatra Ny lakana efa vonona, nefa izato izy toa mbola misalasala, miherikerika, mitazantazana, mitsinjotsinjo. [2.499]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misalasala
Ny lasa : nisalasala
Ny hoavy : hisalasala
Filaza mandidy : misalasalà

Teny iditra misalasala
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Maniry soa [1.78]

Teny iditra misalasalà (salasala)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misalasala [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20