Teny iditra vodivoampelatanana (vody, voa, felatra, tanana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Halavan-drefy mitovy amin' ny haben' ny felatanana iray manontolo apetraka mihohoka; ny sakan' ny felatanana. Ny vodivoampelatanana dia mitovy amin' ny voantondro dimy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay La largeur de la paume de la main. [2.415]
Ohatra Toy izao avy no fìlaza ny refy mahery: refy sy voatondro iray, roa, telo, efatra, refy sy vodivoampelatanana, refy hondry, refy sy vehana, refy sy hakiho refy sy hamaton-tsandry refy sy tovo-tsandry refy sy ampamelomantokana refy sy mamakitratra refy sy ampamelomandroa refy sy manindao. [2.436]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2022/10/30