|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 6 Takila 8 ->

[Ny fahatsarana rehetra na] amin'ny tarehy, na amin'ny fitsanganana na amin'ny toetoetra hafa, dia tampitr’ohatra amin'izany Andriamanitra fa tena tsara tokoa Izy hoy ny Bara. Koa raha misy olona tsara tarehy iny dia ataony hoe : « mba olona soa io lealahy hoatra ny Zanahary latsaka an-tany, eny, tsy hoatra ny naterak’olona fa hoatra ny naloan-Ndriananahary » Raha omby koa no tsara volo dia ataony koa hoe : « Zanaharin’omby irony (izany) raha ny asoan’ny volon’omby no heverina » Ny olona saiky niharan-doza nefa afaka soa aman-tsara dia vaky vava hoe : « Zanahary soa na Ndriamanitra tsy tia ratsy no nahafaka ahy tamin’izany loza izany »

b- Nahary ny zavatra rehetra

«Tampony ambony indrindra amin'ny fahaizan-javatra Andriamanitra» hoy izy «ka raha mba misy olombelona mahafaran-javatra dia mila hanahaka an’Andriamanitra izy amin'izany nefa mbola latsaka satria tsy mahay aina sy ny ra. » Noho izany, raha mahita ny milina isan- [karazany,]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany