|
|
|
|

Teny iditra 1  Antongona
Sokajin-teny  2  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 havoana eo andrefana' Antananarivo (somary atsimo kely foana) sahabo ho 26 km, tora-dady, fa 32 km manaraka ny lalana; 3 na 4 km tora-dady avarabaratra kelin' Merintsiatosika (Fenoarivo); 1508 m ny hahavony...
4 Tamin'ny andron' ny ady an-trano fahizany dia ny tsangan' afo teo an-tampon-tendrombohitra no natao famantarana ny filam-bonjy tamin' ny manodidina nony nisy fahavalo nitady hananika. Nanao tsangan' afo toy izany ny teo Antongona. Koa nony matetika loatra taty aoriana dia tsy nampiraika ny olona intsony. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe: "Efa ho lava ny afon' Antongona": enti-milaza ny antso vonjy, na hataka, miverimberina matetika, ka tsy mahataitra, na mampangoraka intsony...
5 Misy lovantsofina maromaro tonga angano momba an' Antongona... [1.10]
Ohatra  6  Ohatra ny omby mandry eo afovoan' ny ahitra no fitazanana an' antongona avy eto [1.1]
Voambolana  7  Haitoetany: temdrombohitra, saha 8  Haitoetany: monuments 9  Tantara: toerana
Fikambanana  10  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe antongona
Ohabolana  11  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  12  Soratra misy io teny io
Sary 
13  14  15 
16  17  18 
19  20 

Nohavaozina tamin' ny 2026/10/20