|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  aidina
Fototeny  2 idina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Atao, alefa midina, entina ho amin' ny toerana iva na ambany kokoa: Aidino kely ilay latabatra ao ambony rihana
9 Arotsaka (rano na voan-javatra): Aidino moramora ao an-tsinibe ny rano ~ Naidina tao an-davabary ny vary rehetra
10 Arendrika dia alatsaka ao anaty lasitra: Naidina fotsiny angamba itỳ antsy itỳ fa tsy mba notefena [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 used of that which is poured out, as water, etc.; or of that which is taken down, as a thing taken down stairs, or a boy put lower down in a class, etc. [1.2]
12 to be poured out [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 Qu’on verse, qu’on coule dans un moule [1.3, 1.8]
14 Qu’on fait descendre, qu’on fond [1.3]
Ohatra  15  aidina avy eo ambony ny rano, dia samy manasa ny tanany [2.245#45]
16  naidina tao an-dava-bary ny vary rehetra (Tout le riz a été versé dans le trou) [1.3#275]
17  naidina sa notefena io hety io? (Est-ce que ces ciseaux ont été fondus ou forgés?) [1.3#275]
18  Omby betsaka no naidina tany Toamasina (On a fait descendre beaucoup de bœufs à Tamatave) [1.3#275]
19  aidina amin' ny tapaky ny milina ny akotry ary avoakany fotsimbary tena madio any amin' ny tapany anankiray. [2.332]
Tovy hevitra  20 voampidina
Fikambanana  21  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe aidina

Teny iditra (2/2) 22  aidina
Sokajin-teny  23  anarana
Fanazavàna teny anglisy  24 [Root idina?] The Sakalava name for grease or fat. [1.2]

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22