| Teny iditra (1/2) | 1 ambadika |
| Sokajin-teny | 2 anarana na tambinteny |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Enti-milaza ny toerana ao ivohon' ny zavatra iray: Miery ao ambadiky ny hazo ao izy
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
6 the other side
7 on the other side; concealed [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8 [am-badika] l'autre côté, le penchant opposé, le côté opposé, l'envers
9 de l'autre côté, sur le penchant opposé, sur le côté opposé, sur le verso, sur l'envers [1.3] 10 le verso 11 de l'autre côté, en cachette [1.8] 12 verso [1.13] |
| Ohatra |
13 Be tseroka ny ambadik' ity kapaoty ity (L'envers de ce manteau est très sale)
[1.3]
14 Mideza ny ambadik' io tendrombohitra io (L'autre côté de cette montagne est escarpé) [1.3] 15 Lasa any am-badiky ny tendrombohitra ny omby (Les boeufs sont partis de l'autre côté de la montagne) [1.3] 16 Misy tanimanga vaky ao am-badiky ny tafon-trano (Il y a des tuiles cassées de l'autre côté du toit) [1.3] 17 Zahao ao am-badiky ny takela-taratasy fahafolo (Voyez le verso de la dixième page) [1.3] |
| Fikambanana | 18 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe ambadika |
| Teny iditra (2/2) | 19 ambadika |
| Sokajin-teny | 20 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
21 Karazana diamanga na daka, mitovitovy amin' ny kapatokana (jar.): mihodina tampoka ilay namely, amin' ilay tsy ampoizin' ilay mikatroka aminy iny, dia alefany any andamosina ny tongony -- indraindray ny felatanany amin' izay mitehina amin' ny tany -- ka mafy fiantefa izaitsizy izany, manoatra noho ny tsipaka anoloana na ny kopala.
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
22 nom d'une manière de lancer le coup au jeu de savate
[1.3] |
| Voambolana | 23 Fanatanjahan-tena |
| Fikambanana | 24 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe ambadika |
| Fivaditsoratra | ambadika, 25 midabaka |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19 |
|