Teny iditra ampijalina (jaly)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny anglisy To be made to suffer; to be tortured [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on fait souffrir; qu'on torture [1.8]
Ohatra Na misy aza ny Malagasy ampijalina, na misy aza ny Malagasy mankasitraka sy manampy fanorotoroana ny fireneny, misy koa ny mamaly bontana izany sy miatrika amin-kerim-po sy fahasahiana ny maha-Malagasy tsy tia handevoizina azy. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ampijalina, ampijaliko, ampijalinao, ampijaliny, ampijalintsika, ampijalinay, ampijalinareo, ampijalin', ampijalin-, ampijalim-, ampijali-
Ny lasa : nampijalina, nampijaliko, nampijalinao, nampijaliny, nampijalintsika, nampijalinay, nampijalinareo, nampijalin', nampijalin-, nampijalim-, nampijali-
Ny hoavy : hampijalina, hampijaliko, hampijalinao, hampijaliny, hampijalintsika, hampijalinay, hampijalinareo, hampijalin', hampijalin-, hampijalim-, hampijali-

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/06