|
|
|
|

Teny iditra 1  averina
Fototeny  2 verina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Ampanaovina dia mianotra: Avereno ny fiarakodia
9 Lazaina indray: Avareno izay lazaiko
10 Atao fanindroany: Naverina indray ny fanadinana fa nisy nahita mialoha ny zavatra hanadinana
11 Asaina miverina: Naverina ilay iraka
12 Aterina: Tsy mbola naverin' ilay karilahy iny ihany ny bokiko nindraminy
13 Ampodìna: Naveriny ho amin' ny ialan' ny fahamarinana ilay zanany nania [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 Used of something returned or sent back [1.2#753]
Fanazavàna teny frantsay  15 Qu’on fait revenir, retourner, qu’on rend, qu’on rapporte, qu’on ramène, qu'on répète, qu'on redit: Vao lasa kelikely ny mpitondra entana dia naverina (Le porteur de paquets était à peine parti, qu’on l’a fait revenir) ~ Tsy mbola naverina ny hetiko (On ne m’a pas encore rendu mes ciseaux) [1.3#828]
Ohatra  16  Manao ahoana iry olona iry raha averina? [2.298#46]
17  Andrasana kely hahazo aina dia averina indray. [2.472#]
18  Raha misy ambiny ny vola dia averina any aminy. [2.356#]
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21