|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  Barsabasy
Sokajin-teny  2  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.38] Joda Barsabasy. Isan' ny olona nanan-kaja teo amin'ny Fiangonana tao Jerosalema izy (Asa 15. 22), ary mpaminany koa (and. 32). Izy sy Silasy no notendrena hiaraka tamin' i Paoly sy Barnabasy hitondra ny taratasy avy tamin' ny konsilia tany Jerosalema ho any amin' ny Fiangonana tao Antiokia, ete, hampahafantarana ny Jentilisa, izay efa tonga Kristiana, ny zavatra tokony hotandremany. Ary tsy dia nitondra ny taratasy fotsiny ihany izy, fa «namporisika ny rahalahy tamin' ny teny maro koa, ka nampahery azy » (and. 32). Rehefa nitoetra teo elaela ihany izy, dia «nampandehanin' ny rahalahy soa aman-tsara », ka dia nody. Araka ny hevitry ny sasany, io Joda Barsabasy io dia rahalahin' i Josefa Barsabasy voalaza eo amin' ny Asa 1. 23, nefa tsy fantatra marina izany.
Fanazavàna teny anglisy  4  [2.996] Judas Barsabas
Fanazavàna teny frantsay  5  [2.996] Jude Barsabbas
Voambolana  6  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  7  Toko sy andininy momba Barsabasy

Teny iditra (2/2)8  Barsabasy
Sokajin-teny  9  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  10  [1.38] Josefa Barsabasy. Natao hoe Josto koa izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22). Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy.
Fanazavàna teny anglisy  11  [2.996] Joseph called Barsabas who was surnamed Justus
Fanazavàna teny frantsay  12  [2.996] Joseph Barsabbas
Voambolana  13  Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  14  Toko sy andininy momba Barsabasy

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10