Teny iditra famadihana (vadika)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanaovana zavatra hiamboho, na hivadika ka ny ambony lasa ambany
Fampisehoana ny ila na lafiny tsy mbola niseho: Ianao no hampiandraiketina ny famadihana ny boky
Fiovan' ny olona nitokisana nanjary mpamely na fahavalo: Ny famadihana tanindrazana no isan' ny heloka bevava indrindra
Fomba arahin' ny foko malagasy sasantsasany ho mari-panajana ny Razana sy fangataham-pitahiana aminy. Misy karazany roa ny famadihana:
-- fitondrana ho ao am-pasan-drazana ny taolambalon' ny olona maty tany an-tany lavitra nalevina tamin' ny fasana aniritra fotsiny;
-- famonosan-dambamena isaky ny dimy, fito na folo taona, ireo maty milevina ao amin' ny fasan-drazana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The act of turning something over; treachery, treason
The "turning of the bones" of the dead [1.7]
Fanazavàna teny frantsay L'action de retourner [1.3, 1.8]
 L’action de chavirer, de trahir, le lieu, le temps, la cause
Action de transporter les morts dans un autre tombeau [1.3]
 Trahison
"retournement" des ossements des ancêtres [1.8]
Ohatra 
1Niakatra an' Antananarivo aho nony vita ny famadihana. [2.472]
2Tsy mora ny manao raharaha, ka mbola nanangom-bola ho enti-manana ny famadihana aho. [2.529]
Lohateny Kabary amin' ny famadihana (Rasamuel Maurice)

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12