Teny iditra fandambolamboana (lambolambo)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fandamananamba hililotra tsara: Vita tsara ny rafitr' itỳ latabatra fa ny fandambolamboana azy sisa
Fanatsarana, fandokandokafana: Na manao ahoana na manao ahoana fandambolamboanao izany hevitra izany, hevitra manodoka fotsiny io fa mamohehatra
Fanafosafoana, fanambatambazana: Tsy hampiova ny hevitro ny fandambolamboanao ahy [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20