Teny iditra |
fihasinana
(hasina)
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Ny toerana na ny fombafomba isehoan' ny mpanjaka amin' ny vahoaka mba hanajan' ny olona azy
sy hanaovany ny velirano hankato azy ary hanolorana azy ny hasina (volatsivaky) mariky ny maha-mpanjaka azy [1.10]
|
| Toerana nanamasinana ny Mpanjaka fahiny [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Lieu de la consécration, du couronnement [1.3]
|
|
Teny iditra |
fihasinana
(hasina)
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fiolanana; fandrotsirotsiana [1.1]
|
|
Teny iditra |
Fihasinana
|
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (haitoetany)
|
Fanazavàna teny malagasy | Renivohitr' i Manandriana fahiny. Mbola betsaka ny aloalo hita any ankehitriny.
Tao no nonenan' Andrianantara mpanjakan' i Manandriana sy Ramanato ilay
mpamoron-tononkalo betsileo nalaza dia nalaza [1.10]
|
|