Teny iditra fitrosinana (trosina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fihotsahana, firodanana: Ny fitrosinan' ilay tamboho no nahatapaka ny lalana mankany aminay
Fianjerana miantoraka any anoloana ka ny loha no mipoka aloha amin' ny tany: Vaky ra ny handrin' i dadabe noho ny fitrosinany tamin' ny tany
Fiambezoana mafy: Tsy anerany ioatra ny fitrosinan' itỳ zaza itỳ amin-dreniny
Fikohafana izaitsizy: Tsy mahita tory mihitsy aho amin' ny fitrosinan' io marary io rahalina [1.1]
Fanazavàna teny frantsay L'action de dégringoler, de demander [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20