|
|
|
|

Teny iditra1  fitsipika
Fototeny  2  tsipika
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fitaovana enti-manipika: Fitsipika hazo no novidiko ho an-fanako
Lalàna, didy, tsy maintsy arahina: Toy izao ny fitsipi-pifehezana eto amin' itỳ sekoly itỳ
Filàmatra, ohatra: Azo atao fitsipika harahina mihitsy ny fitondrantenany
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] a principle, a rule or regulation
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#783] Ce qu’on peut rayer, manière de rayer, la règle
Figuré: règle de conduite, règle de foi
7  [1.8, 1.13] règle, règlement
8  [1.8] principe
Ohatra  9  Fitsipika telo no narahin'ny mpanoratra amin' ity boky ity; [2.332]
10  Avoaka amin' ny Gazetim-panjakan' ny Repoblika ny fitsipika anatiny. [1.320]
Kamban-teny 
Lohateny  25  Fitsipi-panoratana ho an' ny lakilasy rehetra (Ratatamo)
26  Fitsipi-panoratana Malagasy (Rajemisa-Raolison Régis)
27  Fitsipi-pitenenana Malagasy Ara-drafitra (Rakotonirina Raymond-Blaise)
28  Ny Fitsipi-pitenenantsika (Andriamanatsilavo Seth)

Fivaditsoratra  29  fipitsika, fitsipika

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08