|
|
|
|

Teny iditra1  fitsiriritana
Fototeny  2  tsiriritra
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  Araka ny voalazan' ny Baiboly dia heloka ny fieremana sy ny fitsiriritana. Ao amin' ny Didy Folo dia atao mitovy saranga amin' ny vonoana olona sy ny fijangajangana ary ny halatra izany (Eks. 20. 13-17). Akana dia meloka tamin' izany, ka notoraham-bato ho faty (Jos. 7. 16-26). Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao iray laharana ny fijangajangana sy ny fieremana (1 Kor. 5. 11; 6. 9, 10; Kol 3. 5; Efes. 5. 3). Avy amin' ny fampianaran' i Jesosy Kristy ny fampiraisana ny filaharan' ny fieremana amin' ny filan' ny nofo (Mar. 7. 21, 22). Araka ny fampianarana nataon' i Jesosy tamin' ny Apostoly dia mitovy ihany ny fanaram-po amin' ny filan' ny nofo sy ny fanampoana an' i Mamôna. Ny Fiangonana Kristiana dia tokony handinika tsara ny fampianaran' ny Baiboly ny amin' ny fieremana, araka izay hita ao amin' ny Jer. 22. 17 ; Mik. 2. 2 ; Lio. 12. 15 ; Rom. 7. 7 ; Efes. 5. 3). 1 Tim 6. 10 ; Heb. 13. 5, ets. Ny mpierina dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra. [1.38]
5  Faniriana fatratra hanana na hihinana: Voararan' ny didin' Andriamanitra ny fitsiriritana ny fananan' olona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  covetousness [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  convoitise [1.8]
Ohatra  8  fitsiriritana tsy mendrika anao izany! [2.270]
9  tsy hamono olona noho ny fitsiriritana azy, na ny fananany na ny vadiny aman-janany na izay rehetra mety ho an' ilay olona; [2.508]
Tovy hevitra  10  fieremana
Ohabolana  11  Ohabolana misy io teny fitsiriritana io

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20