|
|
|
|

Teny iditra1  Izy mirahavavy
Singan-teny  2  izy, mirahavavy
Sokajin-teny  3  anarana (lohatenin-tononkalo)
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  5  Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Tsanganana sy sary iray takila  6  Fitanisan' ny tononkalo
Lahatsoratra  7  ...
8  Efa akaiky ny ririnina. Mifarana ny fararano.
9  Manodoka ny eritreritra ny lanitra manganohano.
10  Ny vodilanitra malefaka ilentehan'ny masoandro
11  Mivolombolom-batolalaka, mangarangarana handrohandro...
12  Momba ravinkazo mihintsana ny tora-bovoka, ary izany
13  Dia manetsika alahelo sy vetsovetso lozan-tany!
14  Eo andavarangany eo Rahanta sy Rambolatiana,
15  Vonto izato takariva ka variana dia variana...
16  Harivam-pararano mantsy, mbola ahitana taratra,
17  Mampifoha ny lahataona, mampahatsiahy ny fahavaratra;
18  Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory
19  Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory...
20  Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana!
21  Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina
22  Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotany
23  Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany...
24  Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony
25  Hiaina am-panahy ny nofiny tafatsahatra famony...
26  Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy anefa lahy
27  Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy!.
28 
29  Mpirahavavy kambana, hono, Rahanta sy Rambolatiana.
30  Hitanao mijery izany satria tapiny itoviana
31  Na ny bika na ny endrika na ny fihetsika madinika...
32  Hatramin'ny fitafy aza raha toa ianao mandinika
33  Dia hahita f'isan'andro dia tsy maintsy itoviany.
34  Angamba tapitra mitovy hatramin'izay zava-tiany!
35  Tsy zazavavy intsony izy amin'izao fotoana izao
36  Fa mandia ny fahalehibeazana... Ho gaga ihany anefa ianao
37  Raha mijery azy miaraka tsy misaraka hatraiza,
38  Toa mpirahavavy kely, saiky tsy omban-tsakaiza,
39  Eny an-tsena, am-pivoriana, eny an-dalana, ao an-trano
40  Izy samy izy ihany no miaraka, tazano...
41  Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo
42  Dia hamelovelo handre " piano " arahim-peo.
43  Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana.
44  Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana!
45  Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany
46  Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany?
47  Raha ny bika sy ny endriny fehizany indray aloha
48  Dia azo vinanina marina fa dia fanaperan-tsoa!
49  Izao lehibe izao izy mbola ahitana izany.
50  Mbola mahavariana fatratra, andriandriana ny hatsarany.
51  'Njay izy maorimaorina, vaventy fa malefadefaka
52  Ka ny soroka mahitsy havanambanana fipetraka.
53  Mihodi-bola lasa fotsy, avoavo tendron'orona,
54  Ngalingaly maso izay... Mampidera ny Mpamorona
55  Hatramin'ireo volon-dohany mitofatofa olioly.
56  Rofia mijoro mavamavana, endriky ny tanimboly!
57  Ry zareo'ray tanàna raha toa ilana resaka
58  Dia hilaza f'izy ireo nisy naka vady betsaka,
59  Saingy asa fa nandà hatrany hatrany hatramin'izao...
60  Mba ahoana indrindra re? Eny, ahoana, hoy ianao?
61  Zanak'olo-mpanana, hono, Rahanta sy Rambolatiana.
62  Tsy zoky, tsy zandry... Izy ihany ka dia tapi-java-tiana.
63  Nataon'ny rainy sy ny reniny kindriandriana sy lalao.
64  Nampihantaina ka nomena izao tiany rehetra izao! ,
65  Hatrizay fahakeliny tsy misaraka tokoa.
66  'Ray lalao'ray fitafy,'ray fandriana,'ray fo!
67  Raha kasihina ny iray dia ny iray no tomany.
68  Niombon-javatra nanjo ary niombon-java-mamy.
69  Voninkazo indray mamony, mitovy hanitra sy felana.
70  Nony fe-ho tovovavy, indro miara fanaperana.
71  Iray faharadondradona ary iray hatasitasy.
72  Miombona fisoritra endrika, indray somary kasikasy
73  Amin'ireto voamaso andriandriana fibaliaka
74  Ary ireo laingo-molotra tia tsiky sy hehy sariaka...
75  Ny fitoviana ara-po, ara-tsaina, ara-toetra
76  Moa tsy miharihary marina amin'izay ataony rehetra!
77  Ary hita ihany koa amin'ny fomba anehoany
78  Ny fitiany sy fitsarany izay rehetra anoloany
79  Fa moa va tsy mitovy hatramin'izay boky tiany?
80  Rehefa indray mamaky izy, aiza izany fifaliany!
81  ....
82  Amin'ny andraisantsika ny tantarany eto ity
83  Dia diaviny ny taona famontsinan'ny Fitia...
84  Taonam-betsovetso mamy... taona itiavam-bazo,
85  Itiavana masoandro, lanitra sy voninkazo...
86  Taona feno nofinofy ho an'ny fo vao hifoha
87  Iandrandrana hasambarana hampientana ny fo!
88  ....
89  Misy poety iray tiany, tiany, tena tiany indrindra
90  Tiany vetso, tiany vazo, tiany fo, tiany rindra.
91  Mila ho hainy tsianjery amin'ny poeziny rehetra...
92  Tsy mbola hitany tarehy nefa omeny toetoetra
93  Mifanaraka amin'ny vetsony. Aloalo tonga tiana!
94  Eo amolotr'izy roa ny anarana indrany hoe " Riana " ...
95  Poety vao miandoha fantatra... antenaina ho lasa marina!
96  Mba ianaran'izy roa ianaranarana takarina...
97  ....
98  Io harivariva io, Rahanta sy Rambolatiana
99  Indreo maka toera-mora ka variana dia variana
100  Mamaky ity gazety iray ao anatin'ny sale.
101  Toa ny poezin'ny Riana k'ifandrombahany, endrey!
102  Miara-mihetsika ny molony manonona ny teny mamy.
103  Indray mientana ny fony ka midoboka aok' izany.
104  Tsy tanany ho malemilemy ny feony teo am-pamakiana
105  Ary tsy hitany aza manko fa indro olona variana
106  Niato tamin'ny diany tampoka nandre izany feo izany...
107  Ka niampify ivohon'ny ravina hiery azy avy hatrany.
108  ....
109  Indro izao ny tononkalo indray vakin'izy roa,
110  Eny, indray hirainy mihitsy amim-pientanam-po:
111  " Ny diavolanao mba aiza no tiana holanina?
112  Eo an-tobin'ny zatovo mampiady hira va?
113  Sa an-tanim-boninkazo miaraka amin'olon-tiana?
114  Sa mangina samy irery eny an-tsisintsisin-tsaha " ?
115  Eo an-tenatenany eo... , taitra, ankona izy roa,
116  Injay misy feo reny, feo ahovitry ny fo
117  Nanohy ny poezy vakiny... Tsy hitany hoe " avy aiza " anefa.
118  Reny fotsiny amin'izao, mandrotsirotsy fiantefa:
119  " Mety hafana fo ianao ka hamonjy famoloana.
120  Hiara-mihira amin'ireo mitovy taona aminao...
121  Mety hangetaheta tiana ka handeha mifamotoana
122  Eny an-tanim-boninkazo amin'izay malalanao!
123  Mety hoentin'alahelo ka mamonjy moron-drano
124  Hanjono am-paravodirano volana manganohano...
125  Varian-tara-manga eo am-poto-kazomalahelo!
126  Ny diavolana zatovo dia diavolana korana.
127  Ny an'ny mpifankatia dia diavolam-pihantana...
128  Ny an'izay singan-drery dia diavolan'alahelo...".
129  Tapitra eo ny tonon-kira... Niato koa ilay feo mamy...
130  Vao mainka ankona izy roa! lo nipoitra avy hatrany
131  'Lay nanonona azy niery: tovolahy bikana fatratra!
132  Vao mainka hagagany loatra satria olona tsy fantratra!
133  ....
134  Zarazara izay izy, mazavazava fihodirana.
135  Olioly, avo handrina, mahiratriratra ka mirana...
136  Tsy nahahetsika izy roa... Efa niala satroka izy
137  Vao indreo taitaitra, dia nitsoriaka toa ankizy.
138  ....
139  Io alinalina io, eo Raherilantosoa
140  Mandany vetsovetso irery amin'ny diavolan-tsoa
141  Izay toa mandrotsirotsy ny zaridaina fararano
142  Amin-taratra, oriory, manga sy manganohano.
143  Lasa ery ny eritreriny amin'ny endriky ny Volana
144  Eo anelanelan-taho... Ny fitiany tsy mivolana
145  Moa tsy tahaka an'iny koa? Madio ka mangarangarana
146  Nefa mbola tsy voatsapany ho miteraka hasambarana.
147  Manana endrika sariaka, nefa indrisy mangatsiaka,
148  Fitia an'eritreritra ihany, oriory fibaliaka.
149  Ny fitiany tsy mivolana? Iza anefa moa no tiany
150  Amin'ireo domohina kambana? Ny endrika amam-pitsikiany
151  Tsy tapitra mitovy va ka tsy misy hafa akory?...
152  Toy ny volana mitaha amin'ny tarany an-kamory!
153  Ny fitiany tsy mivolana... Hivolana hanahoana anefa?
154  Voninkazo roa mitovy: ny fony aiza no hiantefa?
155  Samy mampientana azy ka tsy misy iray tsaroany
156  Ho mamabo azy mihoatra. Ts'isy azony fidina
157  Ka haborany amin'iza ity fitiavany mangina?.
158  ....
159  Lasa loatra ny eritreriny, lasa loatra ny vinaniny
160  'Nay iny volana iny hanatona azy ety an-taniny.
161  Zavavy soa mangatsohatso... 'Nay ho tokana hoatr'iny
162  Tsy hanahirana ny fony ny homeny ny fitiany!.
163  Kinanjo vetivety eo, nofy sa tena marina?
164  Moa nidina ny volana? Fotsy toy ny ampakarina
165  Indro manoloana azy " bika sy endrika malalany " !
166  Jambena izy, eny, safotra... nihovitra ny fo adalany!
167  Dia indreo nifampitopy maso roa manganohano,
168  Mamirapiratra fitia, toy ny dobon-doharano...
169  Toy ny nofy: io Rahery fa nandray moramora
170  Ka namihina torovana'reo sandry roa bakora...
171  Dia nibanjina... nibanjina... Nanjenitra Razazavavy
172  Fararanom-pahanginana. Indro ts'isy teny avy.
173  Ny fanahy no miresaka... Inoana ny ifankahazoany !
174  Tafandohalika Rahery fa navesatra ny fony!...
175  Be loatra ny hasambarany... Mamy koa raha mamy
176  Tsy mbola nisy tamin'ny fiainany fifaliana hoatra izany...
177  Moa ny volana no nidina hanambitamby azy ety?
178  Sa izy no nanidina fa nentanin'ny Fitia?
179  Tsy tsaroany n'aiza n'aiza no nisy azy tamin'izany.
180  Olombelona izy va sa afaka amin'ny tany?
181  Nangoraka izy dia nivaha ireo sandriny nangia...
182  Niaraka amin'izay nanidina ilay zavavin'ny Fitia!
183  Nielatra ny akanjo fotsiny mangatsohatso tara-bolana.
184  Badenina Razazalahy... . . ankona tsy nahavolana.
185  Indro izao Raherilanto amin'ny fo, fanahy sy sainy
186  Fa mibanjina'lay tokana izay niloka holalainy...
187  Tokana tsy mbola fantany amin'izy roa vavy,
188  Nefa hitany fa tia ka ninoany foana ho avy
189  Amin'ny toerana nihaonany iny omaly hariva iny...
190  Nohamasininy am-boady tokoa ny fitiany!
191  Koa satria noheveriny ho zava-dehibe izany
192  Dia notanany ny daty hotsarovany hatrany...
193  Daty iray amin'ny fiainany, mitari-dalana ny anjarany
194  Ary daty niposahan'ny masoandrom-pahasambarany.
195  ....
196  Naka saina koa izy ka nihevitra ny hatao:
197  " Aoka ho mendrika, hoy izy,'zay kasaiko hatramin' izao ".
198  Nifohafoha ny eritreriny dia injao tsaroany koa
199  F'isaky ny fandalovany, indray miseho izy roa ...
200  Sao dia miara-tia àry, hoy ny ahiahin-tsainy
201  Ka hitarika korontana amin'ity fitia lalainy...
202  Raha izany dia tsy tsara ny handalovany intsony.
203  Efa hita sady tapaka ny lalana homban'ny fony
204  Ka handiso fanantenana ny ankiray foana izany;
205  Dia nanapa-kevitra izy fa ny takariva ihany
206  Ao anatin'ny sale no iandrasany'lay tiany.
207  Moa va re dia tsy ho to araka ny faniriany?
208  Ny fihaonana omaly, dia tena maotina, madio
209  Tsy hanan-tahotra'lay tiany fa ho avy koa anio!
210  Moa va tsy iombonany izato hetaheta am-po
211  Sy faniriana am-panahy ka ny faniriany ho to?
212  ....
213  Tsy nandalo teo Rahery ny tontolo andro iny...
214  Rahanta koa dia tsy namboraka ny takarivan'ny fitiany
215  Ho fantatr'i Rambolatiana. Hokoboniny mangina
216  Hitohy tsy fantatr'iza izany na oviana na oviana.
217  Mitandrin-toetra fatratra izy tsy haneho ny toe-pony
218  Dia nivonona tokoa tsy hanindroa ny omaly intsony.
219  Namorona lahasa foana no nataony hanary dia
220  Ny fo, fanahiny sy sainy ianjadian'ny fitia...
221  Aviliny amin-java-maro ny eritreriny ho variana
222  Tsy hiangona hifantoka amin'ila' y tarehy tiany!
223  Mivavaka izy hampiala ny ahiahy anatiny ao,
224  Ho tongany aiza ka hatraiza izao kirim-pony izao?
225  Moa va handresy fa hery lehibe inoany
226  Hanohana azy hatrany hatrany ny voninahiny tandroany!
227  ....
228  Mbola nofinofy fotsiny, eny, am-betsovetso ihany
229  No anakaran'i Rambola izany hoe fitia izany.
230  Tsy mbola tsapany mivaingana fa manjavozavo ao,
231  Inoany anefa fa miteraka fiainana hafa, vaovao.
232  Tantara, hira, poezy maneho fitia no tsaroany
233  Mamohafoha ny fisainany sy fanahiny sy fony...
234  Andaniany eritreritra izay mba takatakany aminy!
235  Mahaliana azy ery ny hahatsapa ny hamaminy...
236  Fa mamy, hono, izy izany, loharanom-pifaliana
237  Ary foto-pahasambarana rehefa tojo fitahiana,
238  Ilain'ny fo sy fanahy toy ny rano velona aminy!
239  Fahazavan'ny eritreritra, voninkazony ka maminy!
240  Amin'ny toa izany izy no mitranga amin'ny fiainany
241  Ny endrika mirindra indrindra amin'ny vetso amam-pisainany.
242  Hatramin'izao ny tarehy nandalo azy rehetra rehetra
243  Tsy namohafoha azy fa nandalo tsy nitoetra...
244  Niseho Riana na Rahery araky ny fantatsika
245  Dia inay ilay nofinofy fa namelana baliaka
246  Ka nameno hazavana ny fanahiny sy fony:
247  Moa tsy voninkazo anaty ny fitiavana mamony!
248  Ihiran-dRambola ny fitiavany ny zava-boahary rehetra izao,
249  Ahitany fifaliana sy hazavana vaovao!
250  ....
251  Tsy nandalo teo androany Raherilanto, asa lahy!
252  Nangaihay ery Rambola, valabalaka am-panahy
253  Moa tsy zavatra nataony ho tena antom-pifaliana
254  Ny fahitana ny andalovan'ilay notiaviny mangina?
255  Diso izany izy androany ka tsaroany dia tsaroany
256  Ho banga taminy ny andro, nangentangentana ny fony...
257  Ka vao mainka koa ny embona mpahazo azy nihanahery,
258  Ny diavolana tsy andriny sao mba mahaverivery...
259  Alin-kely hatrany an-danitra mihamazava hatrany hatrany
260  Rambola irery no indro hitsinjo ny hiposahan'ny volana any.
261  Efa maizin-takariva. Tsy hitany fa ts'izy irery
262  No ao anatin'ny sale... Misy hafa koa miery
263  Ao anatin'ny lobolobon'ny garana midoroboka
264  Ary efa niandry teo amim-po midobodoboka.
265  Tsy iza io fa Rahery... (Nony reny nisy avy
266  Dia niafina izy aloha)... Niditra Razazavavy
267  Dia nitehina variana tamin'ny fefin'ny sale
268  Ary toa mametsovetso sy lasam-borona endrey!...
269  .....
270  Tonga aloha Raherilanto fa tsy tahaka ny omaly
271  Satria nentanim-po maika, sady dodona no faly...
272  Dia nipoitra moramora ny volana; ary tamin'izany
273  Inao feo mihirahira manonona ny teny mamy.
274  Ankona Rambolatiana, tsy nahahetsika intsony,
275  Nientanentana indray ny fanahiny sy fony...
276  Hoy'ilay tonom-peo fantany mandrotsirotsy toa mozika
277  Miaraka amin'ny fisandratry ny volana baliaka;
278 
279  " Nde hiaraka hijery ny volana hipoitra any
280  Amin'ny ora mahafeno alahelo ny éto an-tany;
281  Raha mitovy fo amiko ianao, ry zanak'olona,
282  Ndeha isika hiara-hitsinjo ny fiposaky ny volana!
283 
284  " Mangamanga volon-tsetroka izao ny habakabatsika.
285  Raha toa mitovy volo tokoa ny nofinofintsika,
286  Dia hiaraka hianoka amin'ny taratra voalohany:
287  Zazavavy soa loatra ny volana amin'ny volon-dohany!
288 
289  " Mba jereo ny farihy itarafany mangina.
290  Moa mientana ianao, ory sa am-pifaliana
291  Eo am-pijerena izany? Tiako ho fantatra tokoa!
292 
293  " Izaho kosa dia mivetso endrika efa nolalaiko.
294  Volana ao anaty rano! Moa ny endrikao, ry Aiko,
295  Tsy mitaratra ao am-poko toy ny volana eroa " ?
296  ....
297  " Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako,
298  Vahatr'aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako...
299  Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako,
300  Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako!
301 
302  " Fa fitiavako ianao, ... eritreritro, fanahiko;
303  Tsy hisaraka amiko, eny, n'aiza n'aiza tany hitsahiko,
304  Tompon'ny safidim-poko, manapaka ny momba ahy,
305  Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy:
306 
307  " Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako,
308  Hira ao am-poko izany ka nasandratro eo am-bavako,
309  Hira mamiko indrindra, ô ka hirako hatrany!
310 
311  " Fa fitiavako ianao, e fitiavako madio,
312  Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio:
313  Ho fitiavako ianao, mandra-podiko ho tany...".
314  ....
315  Io tolakandro io Rahanta, raha teo an-jaridaina,
316  Namboamboatra voninkazo dia mba lasalasa saina
317  Asa asa fotsiny eo izay namohafoha ny fony,
318  Tsy nataony hotsahivina nefa indro lahy tsaroany
319  F'iray volana androtr'io iny diavolana iny!
320  Tafafoha indray ka nihovitra tao anaty ny fitiany!
321  Ataony ahoana!... Ataony ahoana ny vetsovetso miolomay?
322  Indro izy fa nisokitra amin'ny vodihazo iray
323  Ny daty vao tsaroany eo ary mbola hotsaroany...
324  Daty nampifoha azy tamin'ny torimasom-pony!
325  ....
326  Fararano fenomanana manganohano sady tony...
327  Rahery, Rambola indreo mampianoka ny fony
328  Eo am-bodihazo iray... Efa misy azy ery!
329  Sambatra tokoa manko, safononoka fitia!...
330  ...
331  Io no tiany fidoroboka amin'ny hazo rehetra eo.
332  ( Teo koa Rahanta irery no variana anikeheo...)
333  Finaritra Rambolatiana maneho fitia tsy hita intsony
334  Tomaratra amin'ny endriny ny hasambarana ao am-pony;
335  Mijery azy ampamiratin'ny fanahim-pifaliana
336  Raherilanto ka finaritra sy sond.riana dia sondriana.
337  Niomanany mialoha ny handronjina am-panahy
338  Sy am-po'ty olon-tiany hifohafoha ka hahatsiahy
339  Ny datin'andro izay nihaonany voalohany hoatr'izao...
340  Androtr'io, hono, izany vao'ray vola-mitatao...
341  Daty efa nohamasininy fa niorenan'ny fitiany,
342  Tiany hajoro ho tadidy dieny fe-ankehitriny.
343  Nataony ity Rambolatiana hahatsiaro, kanjo... asa,
344  Sondriana dia sondriana angaha ka tsy miherika ny lasa...
345  Indro izy fenofeno hampahatsiahy'ty olon-tiana:
346  " Mba tsy hohadinoinao na oviana na oviana
347  Dia sokiriko eto anio sy ao anatin'ny fonao
348  Ny datin'andro nanorenako ny fitiavako aminao... ".
349  Ndeha hisikotra azy manko nefa ankona nahita
350  Fa ny zavatra nokasainy indro zavatra efa vita...
351  Nofihininy Rambola ka tsy gagagaga moa!
352  Nientana izy: " Hay, hoy izy, efa vitanao mialoha " ?
353  Vao mainka gaga koa Rambola noho izy tsy nanao
354  Io sikotra eo io, sady izay tsy mitatao
355  Ho'ray volana tanteraka raha tsy ny ampitso koa
356  Ny nihaonana voalohany nanolorana ny fo...
357  Ary ho porofo aza fa tsaroany tsisy very
358  'Reo teny tamin'izay dia voaveriny tsianjery...
359  Teo dia safotra Rahery nahatakatra avy hatrany.
360  Fanina izy... nihodina aminy ny habakabaka aman-tany
361  Miharihary izao ny marina ka mivaingana ao an-dohany:
362  Tsy Rambola hay akory'lay nihaonany voalohany
363  Ka nataony hanorenana ny fitiavany tokoa
364  Araka ny voady masina nianianany tam-po!
365  Indro velona an-tsainy ny lalan'ny fitia nodiaviny:
366  Rahanta no namoha ny fony ka Rambola ity no tiaviny,
367  Fa tiany izao Rambolatiana, tiany koa raha tiany,
368  Zary anton'ny fiainany ary hany fifaliany...
369  ....
370  Fitiavana efa tsy tanteraka nefa andraindrain-doria?
371  Asa izay filaza izany: hadalana? sanatria!
372  'zaho kosa dia milaza fa fitia tsaroana indrindra
373  ny fitiavana tsy to, tsy mba afaka nirindra...
374 
375  Eo an-davarangany eo Rahanta sy Rambolatiana,
376  Vonto izato takariva ka variana dia variana.
377  Harivarivam-pararano manko mbola ahitana taratra
378  Mampifoha ny lohataona, mampahatsiahy ny fahavaratra
379  Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory
380  Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory.
381  Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana...
382  Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina
383  Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotan
384  Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany...
385  Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony
386  Hiaina am-panahy ny nofiny, tafatsahatra famony...
387  Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy nefa lahy...
388  Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy.
389 
390  Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo
391  Dia mamelovelo handre " piano " arahim-peo
392  Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana,
393  Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana!
394  Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany
395  Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany?...

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/21