Teny iditra katolisisma
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Antokom-pinoana kristianina manaiky ny Papa ho filoha. Ny foto-pampianaran' ny katolisisma dia momba ny misterin' ny Trinite Masina, ny fahatongavan' ny Zanak' Andriamanitra (Jesoa Kristy) ho nofo, ny fanavotany ny olombelona tamin' ny fahotana tamin' ny alalan' ny fahafatesany, ny fifindran' ny fahotan' i Adama sy Eva (fahotana tamin' ny fototra) tamin' ny taranany rehetra, ary ny fanajana an' i Masina Maria ho toy ny renin' Andriamanitra [1.1]
Voambolana 
Ny fihaviany Frantsay: catholicisme.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31