|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  kosa
Sokajin-teny  2  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Teny kely entina: 1) Manavaka: Ny androngo mandeha tongotra efatra, ny bibilava kosa mikisaka. 2) Milaza hoe: "etsy an-daniny": Ny ato mpianatra sary, ny atsy kosa mpianatra mozika. 3) Mampifanohitra zavatra na asa roa: Ny fahavalo mitady hanimba anao, fa ny sakaiza kosa mitady hanasoa (tsy fiteny ny hoe: fa kosa ny sakaiza...)
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] on the other hand; in turn
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] et d'autre part, au contraire
Ohatra  6  Inona kosa no renay? [2.270#]
7  Izaho kosa manakobana. [2.117#]
8  Diso kosa izany, Rasaha. [1.335#]
Lohateny  9  Mba zovy kosa ho' aho? (Rajemisa-Raolison Régis)

Teny iditra (2/2)10  Kosa
Sokajin-teny  11  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  12  [2.996] Cush
Fanazavàna teny frantsay  13  [2.996] Kush
Ohatra  14  Hira firehetan' i Davida nohirainy tamin' ny Tompo, noho ny tenin'i kosa Benjaminita [2.996]
Voambolana  15  Soratra Masina
Tsipelina hafa  16  kosy
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  17  Toko sy andininy momba Kosa

Fivaditsoratra  18  asok, kaso, kosa, sako, soka, soka-

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/07