Teny iditra | 1 lovabe |
Singan-teny | 2 lova, be |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Harena tsy mba zarain' ny ray aman-dreny amin' ny mpandova mba samy hizaka ny anjarany tsirairay avy, fa apetrany amin' ny lahimatoa na ny vavimatoa |
Ohatra |
5 Vita ny trano vaovao nampanaovin' Idada ho solon' ilay trano lovabe nitoeranay hatramin' izay. [2.332#] 6 Fa ny ala no lovabe tsy voazara, fiveloman'ny kamboty sy ny zaza amim-behivavy sy izao oloko rehetra izao sady anaovantsika trano. [2.508#] |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/07 |