|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  mamaky
Fototeny  2 vaky
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manapotika zavatra amin' ny fandonana azy amin-javatra hafa na amin' ny fanatontàna azy amin' ny tany: Iza ianareo no namaky ny siny?
9 Mampitresaka, manasaka: Mamaky hazo fisaka ho roa ny mpandrafitra
10 Manimba, mandrava, mandroba: Mamaky trano mihitsy ny jirika
11 Mandalo eo afovoany manomboka amin' ny laniny iray ka hatramin' ny laniny iray hafa (matetika ny teny verindroa (Mamakivaky) no ampiasaina amin' itỳ hevitra itỳ): Menatra erỳ izy namaky na namakivaky ny vahoaka maro be
12 Mampiseho ho fantatry ny be sy ny maro: Rakotono namaky lainga an-dRajaona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to split; to break [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 fendre dans le sens de la longueur; casser [1.3, 1.8]
15 rompre
16 traverser, aller, passer
17 mettre en déroute [1.3]
Ohatra  18  namaky ny any atsimo manontolo izahay (Nous avons traversé tout le sud) [1.3#802]
19  Izahay no namaky voalohany iny làlana iny (Nous avons été les premiers à passer par ce chemin) [1.3#802]
20  namaky ny fefiloha ny rano (L’eau a rompu la digue) [1.3#802]
Fikambanana  21  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 17 misy ny teny hoe mamaky

Teny iditra (2/3) 22  mamaky
Fototeny  23 vaky
Sokajin-teny  24  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
25  Ny ankehitriny :
26  Ny lasa :
27  Ny hoavy :
28  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  29 Manasaratsaraka ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra ao anatiny: Mbola tsy mahay mamaky teny ny zafikeliko fahenina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  30 to read [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  31 lire [1.3, 1.8]
32 publier [1.3]
Fikambanana  33  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mamaky

Teny iditra (3/3) 34  mamaky
Fototeny  35 vaky
Sokajin-teny  36  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
37  Ny ankehitriny :
38  Ny lasa :
39  Ny hoavy :
40  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny frantsay  41 accuser, dénoncer [1.3]

Fivaditsoratra  42 Kimama, mamaky, 43 mamika, 44 mikama

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19