Teny iditra mametraka (petraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao main' ny toerana anankiray: Mametraka boky eo ambony latabatra
Manome (zavatra) mba hotehirizina, manome (vola) mba hiteraka: Mametra-bola amin' ny banky
Manendry: Ny fanjakana no nametraka ahy eto
Manala, manesotra, manongana: Ny Filoha no mametraka ny mpiasam-panjakana
Mandefa, mandroaka, misaotra (vady): Antitra Rangahy vao nametraka ny vadiny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To place, to seat, to put down, to make to perch; to lay, as in stonework, etc. [1.2]
 To set, to place, to lay down [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Mettre, placer [1.8]
Ohatra 
1Mametraka sakana maro ny finoana; [2.445]
2Rahefa vita, dia mahazo mametraka fanontaniana ianao. [2.270]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mametraka
Ny lasa : nametraka
Ny hoavy : hametraka
Filaza mandidy : mametraha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20