|
|
|
|

Teny iditra 1  mamosavy
Fototeny  2 mosavy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manisy mosavy, mamorika, manimba ka mahafaty: Lazain' ny olona fa ilay olona tao atsimony, hono, no namosavy azy
9 Milaza ny tsy mety, toy ny, ohatra, milaza olontsy heny ho mpivady: Ranona itỳ mamosavy mihitsy; olona mpianadahy ireny ka ataonao hoe mpivady
10 Manao zavatra mety hahavoa: Mamosavy izay nanaparitaka ireto fanjaitra ireto teto amparafara?
11 Enti-milaza ny saka manana anaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to bewitch [1.2]
13 to practice withcraft, to cast a spell [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 ensorceler, jeter un maléfice [1.8]
15 ensorceler, jeter un maléfice sur quelqu'un ou sur quelque chose. Beaucoup de maladies, notamment les psychopathies, mais aussi des maladies dont l'origine paraît suspecte, surtout celles qui se déclenchent brutalement, sont attribuées à de tels maléfices [1.196]
Ohatra  16  Ny mamosavy hitan' olona, ka ampandoaviny vola, dia tsy lazalazainy, no atao hoe mividy laona. [2.293#24]
Voambolana  17  Finoana
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21