|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  manaloka
Fototeny  2 aloka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manome aloka, miaro amin' ny hainandro: Mikisaha etsy avaratra fa bey misy manaloka anao eo amin' ny misy anao eo
9 Mampahamaizina: Arodany io rindrina io fa manaloka be ihany
10 Manakona ny voninahitra ka mampihena ny fahefana: Betsaka ny andriana ambony novonoin-dRanavalona reniny fa natahorany hanaloka azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to cast a shadow; to cover so as to afford shelter; to obscure from the light. [1.2]
12 to cast a shadow on ; to protect [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 ombrager; obscurcir ; abriter [1.8]
Ohatra  14  sa ala manaloka ny ony tonga maitso? [2.445#]
15  Ny tany efa kotra, ny katsaka manaloka ny tsaramaso. [2.117#]

Teny iditra (2/2) 16  manaloka
Sokajin-teny  17  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  18 [Antambahoaka] manonofy ny olo-maty [1.78]

Fivaditsoratra  19 lamokana, 20 malokaña, 21 manakalo, manaloka, 22 manolaka, manôlaka

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19