Teny iditra manataka (tataka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandrovitra na mandidy manaraka ny lavany
Manisy loaka na banga na tatatra handehanan' ny rano
(fiteny somary baranahiny) Mampahantra, mambotry [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To slit open [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fendre, déchirer; faire une ouverture [1.8]
Ohatra Fanaony koa, hono, ny manataka ny kibon'ny vehivavy bevohoka mba hijereny ny zaza ao an-kibo! [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manataka
Ny lasa : nanataka
Ny hoavy : hanataka
Filaza mandidy : manataha

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20