|
|
|
|

Teny iditra 1  manatitra
Fototeny  2 atitra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona
9 Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao
10 Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay
11 Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina
12 Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to present, to convey [1.2, 1.7]
14 to send, to return. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  15 présenter, apporter [1.3, 1.8]
16 offrir: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins)
17 conduire: Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel)
18 escorter: Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté)
19 porter: Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave)
20 rendre: Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre) [1.3]
21 offrir, livrer [1.8]
Ohatra  22  manatitra ny nahandro, tompoko! [2.69#259]
23  Alina iray no manatitra dia samy mody. [2.245#76]
24  Koa dia manatitra ho anao ny fanjakako aho, ho zanakao ho didianao. [2.508#324]
25  Ary manatitra anay hatreo Suez Mr Duffus fa sarotsarotra ihany ny fandehanana hatreo Suez. [2.366#226]
Fikambanana  26  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny hoe manatitra
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  manatitra, 28 manitatra, 29 mitantarà, mitantara

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19