|
|
|
|

Teny iditra 1  mandentika
Fototeny  2 lentika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manatsatoka mandevina: Mandentika tsato-kazo amin' ny tany
9 Manasitrika, manitrika: Mandentika hazo lava ao anaty rano
10 Mandrendrika: Nandentika ny sambo ny onja sy ny rivotra
11 Mandroboka, mampihitsoka: Ny namandratsy no nandentika azy tamin' ny fahazaran-dratsy
12 Mampiditra amin' ny lalina, amin' ny kizo, mampifatratra: Vao mainka nandentika ny voampanga ilay vavolombelona nantenainy hanavotra azy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  13 enfoncer [1.13]

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20