| Teny iditra (1/2) | 1 mandotra |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Karazam-bibilava lehibe, vasoka somary misy mainty mivolonkary ny volony, ary malaza ho masiaka
4 Karazam-bibilava lehibe malaza ho mivelona ao anaty lava-bitsika, ka izany no iantsoana azy koa hoe renivitsika [1.1] |
| Voambolana | 5 Haibiby: biby mandady ary biby miain-droa |
| Tovy hevitra | 6 manditra, renimanditra |
| Teny iditra (2/2) | 7 mandotra |
| Fototeny | 8 dotra |
| Sokajin-teny | 9 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
14 Mandevona amin' ny afo: Didian' ny fanjakana ny mandotra ny fitafian' izay matin' ny habokana na nendra
15 Manamasaka: Mandotra biriky, mandotra sokay 16 Manery: Mandotra ny lehiben' ny fokontany ny fanjakana hanenjika ny mpangalatra omby 17 Mandoro ary manala ny volom-biby vonoina [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
18 to burn with fire
[1.2] |
| Ohatra |
19 Nefa taoriana dia samy namono ny azy indray, fa niforetan' ny mandotra tao anatiny.
[1.437#]
|
| Fikambanana | 20 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mandotra |
| Fivaditsoratra | mandotra, 21 mandrota |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|