Teny iditra manetsika (hetsika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manova toerana: Aza manetsiketsi-tongotra
Mampanonja; mampihevingevina, mampitopatopa: Manetsika ny ranomasina ny rivotra
Mamoha, mampipoaka indray: Tsy tokony hanetsika iny raharaha iny intsony ianao
Mampientana: Nanetsika ny foko loatra ilay hira tao
Mahatonga, miteraka: Manetsika ny alahelony ny fahitana ny fasana ilevenan' ny zanany
Mamadika, mamono lamba: Hanetsika an-dry Ramianoka sy Ratsizehena izahay, taona any [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Remuer, agiter, remettre sur le tapis [1.3]
Ohatra Hafa ny mozika mahafinaritra sy manetsika azy ankehitriny. [2.436]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manetsika
Ny lasa : nanetsika
Ny hoavy : hanetsika
Filaza mandidy : manetseha
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20