|
|
|
|

Teny iditra 1  mangotraka
Fototeny  2 hotraka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 Enti-milaza rano na zavatra hafa hafanaina ka efa matanta be miketriketrika: Efa mangotraka ny tsaramaso
8 Mandevy
9 Mahery fo, mavitrika: Mangotraka Rakoto iny raha miasa
10 Mafana, mirehidrehitra: Nangotraka izay kabary nataony izay
11 Fatratra, mahafinaritra izaitsizy, kanto: Nangotraka ny kilalaonay tany an-tsaha
12 Mandeha tsara, mahomby, mandroso: Mangotraka izao ny fiompiana kisoa
13 Mafy aoka izany: Tandremo fa mangotraka izao ny fisavankaratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 to boil, to be boiling hot
15 to be very animated [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  16 bouillir, être en ébullition
17 être très animé [1.8]
Fikambanana  18  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mangotraka
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21