|
|
|
|

Teny iditra1  marikivy
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Handatra ary manaikitra kely ka mampiteraka ranonivy: Marikivy ny voasary makirana
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] sour, acid
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] aigre, acide
6  [1.196] qui a un goût acide, aigrelet
Ohatra  7  Ho fanajana olona dia mba nanaraka koa aho, saingy ny ahy hehy marikivy izany. [2.4#]
8  Tao ny vehivavy efa trotraky ny indray andro maninjitra teny ambony kalesy teny ka tsy maharin-doha intsony, tao ny sarotiny ka efa marikivy sy mitampina orona ihany. [1.210#]
Sampanteny 
9  Matoantenin' ny mpanao :
10  Anarana :

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21