|
|
|
|

Teny iditra1  mbola
Sokajin-teny  2  tambinteny
Fanazavàna teny malagasy  3  (miaraka amin' ny milaza ny ankehitriny na ny lasa): enti-milaza fa eo am-panaovana na teo am-panaovana asa iray ilay olona tenenina: Mbola miasa izy fa aza tabatabaina ~ Mbola nisakafo izahay tamin' izy tonga
4  (miaraka amin' ny milaza ny ho avy): enti-milaza fitohizana na fiverenana asa efa nisy teo aloha: Mbola hanoratra aminao aho amin' ny herinandro ambony ~ Mbola hatory indray aho rehefa afaka kelikely
5  (na fahatongavan-javatra efa nandrasana): Mbola ho avy izy fa aza matahotra
6  (miaraka amin' ny "tsy") samy azo atao eo aloha na eo aorian' ny "mbola" ny "tsy", saingy matetika raha filazana tsotra, dia ny "mbola" no atao aloha: Mbola tsy tonga lahy Rakoto, fa raha mamaly fanontanana kosa, ny "tsy" no atao aloha: Efa tonga ve Rakoto? Tsy mbola tonga izy, tompoko (marihina fa amin' ity farany ity dia azo tsy averina ny fehezanteny manontolo, fa ny "mbola" kosa no miova hoe mbolana: Efa tonga ne Rakoto? Tsy mbolana, tompoko) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7  yet, still [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  encore, pendant que [1.8]
Kamban-teny 
Tsanganana sy sary iray takila  11  Ny tambinteny rehetra

Fivaditsoratra  12  lambo, lomba, mbola

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31