|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mihehy
Fototeny  2 hehy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mikaoka amin' ny tongotra dia manely: Nihehy ny fako teo ny akoho ka izany no nahatonga ny tokotany haloto
9 Mihady: Mihehy ny tany ny saka
10 Mamokatra, mamongotra: Nisy nihehy ny voanjo tatsy atsimon-tanàna
11 Mitady hahalala momba ny...: Nihehy ahy ny mpitsikilo tamin' ny fivoriana nataonay fa tsy niteny na inona na inona aho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to scratch in the ground. [1.2]
13 to scratch the ground; to paw the ground [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 gratter la terre, creuser avec les pattes [1.8]
Ohatra  15  Akoho lahy mihehy lavenona ireny, ka mandihy ambony fasan-drazana. [2.472#225]
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 17  mihehy
Sokajin-teny  18  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  19 [Antesaka+Bara] mihomehy [1.78]
20 [Tanala] mihomehy: Kaja mihehy ny kivahe mahia sandré ibojan'ny volone (aza homehy ny amboa mahia sao ipariahan'ny volony) [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21