|
|
|
|

Teny iditra 1  mihitsoka
Fototeny  2 hitsoka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Latsaka amin' ny toerana iray ka tsy afa-miala: Nihitsoka tao an-davaka ny fiaranay
9 Mijanona tsy miasa: Mihitsoka amin' ity raharaha ity ny volako [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  10 être enfoncé, être embourbé, engagé dans, échouer, s’enfoncer, se couler dans ses entreprises, ne pas réussir [1.3#254]
Ohatra  11  mihitsoka hoatra ny otomobilina lany lasantsy. [1.437#]
12  Vokatr'izany rehetra izany, mihitsoka ny toekarena, tsy mivoatra. [2.606#]
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21