|
|
|
|

Teny iditra 1  mihohoka
Fototeny  2 hohoka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Miongana na mianjera ka ny vavany no lasa ambany: Loza fa nihohoka ny vilany ka very daholo ny laoka
9 Mandry tsy mitsilany na mihorirana fa ny kibo no atao ambany mandry: Aza mihohoka rehefa mandry
10 Mandohalika na miondrika ambany dia ambany: Mihohoka eto anatrehanao izahay, ry Tompo Andriamanitra
11 Milentika ao anatin' ny fahoriana: Mihohoka marina ireto kamboty ireto
12 Miasa tsy miroa fo: Nihohoka tamin' ny asany izy rehetra ka vita haingana ilay raharaha nasaiko nataony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to lie or be placed with the face or opening down [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 être placé avec l'ouverture en bas, la bouche en dessous [1.8]
Mpanahaka  15  Miankohoka
Fikambanana  16  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe mihohoka
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22