Teny iditra misondrovaka (sondrovaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza zavatra voatelina tsy manaraka ny lalan-kanina fa nivoaka any an' orona: Nisondrovaka ilay voam-bary ka tany an' orona no nivoaka
Mivily amin' ny lala-mahitsy; lasa tampoka entin-katezerana mankany amin' ny olona iray: Nisondrovaka tatỳ Rasoa nitantara ny namelezan' i Naivo ny zanany [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misondrovaka
Ny lasa : nisondrovaka
Ny hoavy : hisondrovaka
Filaza mandidy : misondrovaha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20