Teny iditra mitsatoka (tsatoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Milentika, miraikitra tsy ho afa-mihetsika: Mitsatoka tsara ve io andry io
Mijoro tsy mihetsika na mijaridina: Nitsatoka teo anoloako Rakoto ka taitra aho
Mijanona ela, miandry: Efa adiny iray aho izao no nitsatoka foana teto niandry azy
Mijanona ela tsy mitera-boka-tsoa: Nitsatoka tamin' ny soavaly, hono, ny volan-dry Dadabe taloha [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsatoka
Ny lasa : nitsatoka
Ny hoavy : hitsatoka
Filaza mandidy : mitsatòha
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20