|
|
|
|

Teny iditra 1  mitsingoloka
Fototeny  2 tsingoloka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mirona ka ny loha no atao ambany ary ny tena sisa rehetra atao ambony: Nitsingoloka teo an-davarangana izy ka nianjera
9 Mifotitra, mivadika ambony ambany, mitotongana: Hita mitsingoloka izay rehetra jerena amin' io masolasitra io
10 Mitady hanambaka an-kafetsena: Aza mitsingoloka olona fa tsy tsara mihitsy
11 Mila vaniny amin' ny zavatra faran' izay madinika hamelezana ny hafa: Loza mihitsy raha hitsingoloka Rangahy ity [1.1]
12 mivadika ka ny loha no ambany
13 mila vaniny [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  14 culbuter, inverser
15 pinailler [1.13]
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21