Teny iditra mitsontsorika (tsontsorika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandroso midina: Mitsontsorika ny lohan' ny marary ~ Mitsontsorika ny rambon' omby
Midina, misolampy, mandry soroka: Araho tsara iny lalan-kely mitsontsorika iny dia ho tonga any amin' ny halehanao ianao
Manorika, mikoriana manaraka ny rindrina (rano), manaraka ny takolaka (ranomaso): Nitsontsorika ny ranomasony raha vao nandre ny voina nihatra tamin-dreniny izy
Mianjera ka ny loha no mandeha aloha: Niondrika teo amoron-kady izy ka nitsontsorika tany anaty tevana [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsontsorika
Ny lasa : nitsontsorika
Ny hoavy : hitsontsorika
Filaza mandidy : mitsontsoriha
Tohi-kevitra 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05