Teny iditra mivady (vady)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] milely [1.78]
 Miray
Miaraka na mivelona toy ny mpivady: Olona mivady ireny fa tsy mianadahy akory
Enti-milaza olona iray sy ny vadiny: Lasa any an-tsena ry Rainikoto mivady [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Être mari et femme: Tonga Rainipatsa mivady (Rainipatsa est arrivé avec sa femme) [1.3]
 S'accoupler, se marier [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mivady
Ny lasa : nivady
Ny hoavy : hivady
Filaza mandidy : mivadia
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mivady (vady)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miara-droa, lomisy: Nividy kiraro telo mivady izy tamin' ny Krismasy
Tsara miaraka: Mivady tsara lahy ny palitao sy pataloanao ireny [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Être par couple, par paire, avoir son complément, son pendant, son pareil, son semblable: Venty sy kirobo no nividianako ireo bitro mivady ireo (Ce couple de lapins m'a coûté deux francs) ~ Tsy mivady tsara ireo kavina ireo (Ces pendants d'oreilles ne sont pas bien pareils) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mivady
Ny lasa : nivady
Ny hoavy : hivady
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31