|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mivady
Fototeny  2 vady
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 [Antambahoaka] milely [1.78]
9 Miray
10 Miaraka na mivelona toy ny mpivady: Olona mivady ireny fa tsy mianadahy akory
11 Enti-milaza olona iray sy ny vadiny: Lasa any an-tsena ry Rainikoto mivady [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  12 Être mari et femme: Tonga Rainipatsa mivady (Rainipatsa est arrivé avec sa femme) [1.3]
13 s'accoupler, se marier [1.13]
Fikambanana  14  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mivady
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 16  mivady
Fototeny  17 vady
Sokajin-teny  18  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
19  Ny ankehitriny :
20  Ny lasa :
21  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  22 Miara-droa, lomisy: Nividy kiraro telo mivady izy tamin' ny Krismasy
23 Tsara miaraka: Mivady tsara lahy ny palitao sy pataloanao ireny [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  24 Être par couple, par paire, avoir son complément, son pendant, son pareil, son semblable: Venty sy kirobo no nividianako ireo bitro mivady ireo (Ce couple de lapins m'a coûté deux francs) ~ Tsy mivady tsara ireo kavina ireo (Ces pendants d'oreilles ne sont pas bien pareils) [1.3]
Fikambanana  25  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mivady

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21